Notsiahivin'ny Papa François indrindra ny fampianaran'i Jesoa hoe : ny voany no hamantarana ny hazo (Lk. 6, 44) " ny olona tsara dia mamoaka izay rakitra tsara ao am-pony fa ny olona ratsy kosa dia mamoaka izay ratsy avy ao am-pony, dia izay be ao am-pony no aloaky ny vavany". Noho izany raha te hanana fiseraserana tsara dia tsy maintsy manadio ny fo. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
6 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)
♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Arsidiôsezin'Antananarivo ; notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan'Ambatondrazaka... ♦ 50 taona katroka omaly ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa vaovao, na ilay Accord de coopération, nifanaovan'ny Fitondrana Malagasy sy ny Fanjakana Frantsay, izay tena nametraka ny tena fahaleovan-tenan'i Madagasikara, tao aorian'ny nambara tamin'ny 1960... ♦ Heverina ho voavaha amin'ny alakamisy na zoma ho avy izao ny "délestage" nisy teo amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo, hoy ny teo anivon'ny Jirama...
♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'ny Arsevekan'Antananarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Diôsezin'Antananarivo ; ka notendren'ny Ray masina handimby azy, i Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Notontosaina omaly ny fizakana ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanentana ny kristianina rehetra izy ireo, fa maro tokoa ny ezaka izay hatao amin'ny fanabeazana ireo izay ho pretra rahatrizay... ♦ Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fankalazana iombonana ny Sakramenta Masina, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eo amin'ny Kianjan'i Masina Misely Amparibe...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco