04 septambra — Teraka tamin’ny taona 1140 i Rosalie, tompomenakely tamin’ny fotoana nanjakan’i Guillaume I ny rainy, taranak’i Charlemegne izy io. Ho fankasitrahan’ny mpanjakavavy Marguerite, vadin’i Guillaume dia nanolotra tany tao an-tendrombohitr’i Pellegrino akaik’i Palerme izy.
03 septambra — Tokony ho tamin’ny taona 540 no teraka tao Roma i Grégoire, andriana ny fianakaviany, zafiafin’ny papa Felix III izy. I Gordien sy Sylvie no ray aman-dreniny ary mpitoka-monina ny anabavin-drainy, toa an-dry Tharsule sy ry Emilienne izany.
♦ Efa ao anatin'ny fiatrehana tanteraka ny JMJ Mada X, ireo tanora rehetra manerana an'i Madagasikara, any amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Maro ireo fandaharam-potoana efa natrehan'izy ireo. Entina amintsika ny andinindininy... ♦ Tamin'ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2022 no nanatanteraka ny Zaikabe iraisam-pirenena faha-8 ny Fikambanan'ny Mpitantana sy Mpiasa mandinika ny Baiboly, tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...
02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco