♦ Nalain'ny mpitandro filaminana tao an-tranony androany maraina i Doris Rakoto Samuel, vadin'i Mahery Lanto Manandafy na i Malama... ♦ Ho entina amin'izao vaovao izao koa fa mbola tsy mitovy hevitra amin'ny fidirana indray ao anaty tetezamita ireo mpanao pôlitika... ♦ Manampy ireo tanora hitantana ny fako ao an-drenivohitra ny CRS Madagascar... ♦ Any ivelany : Olana ara-teknika tamin'ny fitaovana fanoroan-dalana ireo fiaran-dalam-by no nitarika loza namoizana ain'olona an-jatony tany Inde...

Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona hitsahatra amin’ny fitantanana ny Arsidiôsezin’Antananarivo ary notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan’Ambatondrazaka.

♦ Manamarika ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona isika anio... ♦ Hodinihina ny hanomezana Faritra mitokana ho an'i Maroantsetra sy Mananara-Avaratra, hoy ny filohan'ny repoblika Rajoelina Andry. Nanome hafatra ho an'ireo manome baiko amin'ny manakana azy kosa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Mbola manjaka ny delestazy, nisy ireo mponina nidina an-dalambe naneho ny hatezerany momba izany olan'ny herinaratra izany... ♦ Navesatra ny vokatry ny fifandonan'ny fiara an-dalam-by miisa telo tany Inde...

Andro faha-57 ho fankalazana ny andron'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ny amin'ity taona 2023 ity. Izay be ao amin'ny fo no aloaky ny vava, raha tena mahay mihaino ny hafa amin'ny fo madio isika dia mazava loatra fa ho afaka hanambara na hiteny ampahamarinana sy am-pitiavana ihany koa, ny tokony hatahorantsika bebe kokoa hoy ny Papa François. Katesizy momba ny andron'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...