♦ Tontosa omaly alahady nyEokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, izay nahatratra ny taona hitsaharana amin'ny asa fitantanana ny Diôsezy... ♦ Fitenim-paritra faharoa nahavitana dika tenin'ny Baiboly, ny fiteny Tsimihety. Natolotra an'ireo vahoaka Tsimihety, tamin'ny sabotsy, tany Antsohihy izany... ♦ Milina afaka manodina mangahazo, ho lasa lafarinina no nomena ny tantsaha sy ny mpandraharaha any amin'ny Distrikan'i Mahanoro... 

Maro an'isa ny Kristiana, mpivavaka na koa hoe mino, kanefa miharatsy ny fiainana, mihasimba ny tontolo iainana. Mahafoana tsikelikely ireo zava-boahary, mikorontana tsy mandeha araka ny vanim-potoana intsony ny teotr'andro. Ny tena loza dia samy manampatra ny fahefany amin'ny zava-boahary isika olombelona hany ka ts voahaja intsony ny lalàna ara-boajanahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany. 

10 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)

Ny zo, ny adidy ary ny andraikitra dia isany mampisy hasina sy haja ny olona tsirairay. Ny hasina sy ny haja dia nanana ny lanjany teo amin'ny Ntaolo Malagasy sy ny finoana Kristiana satria ny "hasina" no fototry ny "fahamasinana" ary ny "haja" no mametraka antsika amin'ny hoe "fahamboniana" ; Andriamanitra irery ihany anefa no manana io fahamboniana io avo indrindra. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...