♦ Hirosoana amin'izay ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo, araka ny tapaka tamin'ny filan-kevitry ny ministra manokana, omaly. Ampahan-dalana miisa 11 no nankatoavina fa amboarina amin'izany... ♦ Tsy tokony ahilika any amin'ny Bianco irery ny ady amin'ny kolikoly fa andraikitry ny olom-pirenena rehetra, hoy ny tale jeneraliny. Miantso ny tanora amin'izany ady atao amin'ny kolikoly izany izy, omaly... ♦ Hampiova ny toe-karena ara-bola eto Madagasikara ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola nolaniana teny amin'ny Antenimiera farany teo hoy ny manampahaizana manokana momba ny lalàna, Raphaël Jacob. Tsy hisy intsony, hoy izy, ny fanomezana tombondahany ny mpampiasa vola sasany...
Hajao sy kajio ny tontolo manodidina anao. “hevero ho toy ny tenanao ihany no iharan’izay ataonao, raha tsara dia ianao ihany no hisitraka izany, raha ratsy dia ianao ihany no ho voan’izany”. Izay tsy tianao atao amin’ny tenanao aza atao amin’ny hafa. Ohatra: ny fako ao an-trano sy eny amin’ny lalana; maloto amin’ny trano fidiovana, atoroy ny fomba tokony hatao fa tsy miteny na mandrara fotsiny. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
8 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)
♦ Nifarana androany ny fankalazana ny andron'ny tambazotran'ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana, teto amin'ny Faritra Analamanga. “Tanora tompon'ny ankehitriny, manorina ny ho avy lavitry ny kolikoly”, no lohahevitra. Hetsika natao teny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina... ♦ Mikarakara hetsika eny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina, nanomboka androany ary hitohy rahampitso, ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, hanampiana ny tanora hitady asa sy ny fizarana asa...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco