27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.

Mitovy zo sy hasina ny olombelona rehetra eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Fiangonana satria samy voaantso ho amin'ny Fahamasinana daholo na ny Eveka, ny Pretra na ny Diakra na ny Relijiozy na ny lahika. Na dia misy aza ireo voahosotra amin'ny laharana maha Eveka, maha Pretra sy maha Diakra dia ny andraikitra no tsy mitovy raha mitaha amin'ny Lahika fa ny antso dia mitovy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...