22 mey 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 29-33)

Ny fiavonavonana sy ny fahihirana dia isan'ireo fahotana fito fototry ny hafa, fa mifamatotra amin'izany ny fialonana. Ireo toetra ireo dia hita eny amin'ny tontolon'ny fiaraha-monina ary manimba zavatra maro. Maro ireo tsy mandray ny soso-kevitry ny olona manodidina azy fa miolonolona sy mampiseho avonavona. Maro ireo mpanan-karena mahihitra ka tsy mitsinjo ny tombontsoa iombonana.

Tsy azo giazana ao an-trano ny fifandraisana. Maro ny miankina amin'ny fitaovam-pifandraisana noho ny asa fivelomana. Fitaovana ho an'ny fivoarana amin'ny maha olona ny fifandraisana. Mivelatra be ny tontolon'ny fifandraisana raha tsy hilaza afa-tsy ny tontolon'ny asa fivelomana sy ny fifanankalozana ara-barotra. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

I Maria dia vehivavy mifikitra tanteraka amin'Andriamanitra, nefa tsy miefitra velively amin'ny olombelona, na amin'ny fiainana na amin'ny tantaran'izy ireo. Tsy miloa-peo izy satria mihaino sy mandray mandrakariva ny tenin'Andriamanitra sy ny an'ny olombelona. Ny fanginany no mamela azy hihaino sy handanjalanja mba ho afaka hanavaka, ao anatin'ireo sahoa marobe, ireo teny tena manan-danja marina. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahafito.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...