♦ Hanampy antsika amin'ny fampandrosoana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny fiainana amim-pitokiana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fitanana ny finoana, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina... ♦ Nahatsiaro ireo rehetra nodimandry tao amin'ny fikambanana, ny fikambanan-drelijiozy Karma omaly... ♦ Nampahatsiahivin'ny Papa nandritra ny vavaky ny Angelus omaly, fa ny kristianina tsirairay dia voaantso hisehatra ho amin'ny mandrakizay...

Ny fifanampiana izay endriky ny fanehoana fitiavana dia tsy eo amin'ny olon-droa fotsiny ihany, fa eo amin'ny sehatra samihafa. Ny zavatra atao am-pitiavana tsy maintsy misy vokatra tsara. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha nahafaty an'i Mendrika. Efa namoaka ny taratasy fahazoan-dalana manenjika ireo miaramila 13 voakasika ny MDN... ♦ Tamin'ny taona 2017, nahatratra 2 700 000 isa ny olona matin'ny loza nandritra ny asa, eran-tany. Midina ifotony manara-maso ny fanajana ny fahasalamana sy ny aro loza ny Ministeran'ny asa... ♦ Ho fanomezan-danja ny asa soratra sy ny vaky boky dia tontosaina eny amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy ny hetsika tsenaben'ny boky andiany-I ...

♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hanatontosana ny Andron'ny Lahika amin'ny taona 2022... ♦ Hitan'i Jesoa ny fifanoherana teo amin'ny fihetsik'ireo mpanora-dalana sy ilay vehivavy mpitondra tena, tao an-tempoly. Nifantoka tamin'io Evanjely io omaly io, ny fampianarana nentin'ny Papa tamin'ny Angelus... ♦ Fahatsirovana, fitiavana ary fankaherezana no hevitra telo nasongadin'ny Papa tamin'ny toriteniny, nanamarihana ny faha-60 taonan'ny sampana fandalinana ny fitsaboana sy fandidiana tao amin'ny Oniversiten'ny Fo Masin'i Jesoa tao Roma...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...