Manana adidy amin'ny fireneny sy ny tanindrazany ny olona tsirairy. Hasin'ny Firenena sy ny hasin'ny vahoaka ao amin'ny dia mifamatotra tanteraka ary mifamatotra tanteraka ihany koa amin'ny didy fahaefatra amin'ny didin'Andriamanitra dia ny hoe "manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Tsy ampy ny fanajana ny ray aman-dreny fotsiny fa manana adidy ihany koa isika mba hanaja ny manodidina antsika, ny mpiara-monina ary ny mpiray tanindrazana sy firenena.
Ny tena soa ho an'ny olombelona sy ny zava-boahary hatrany no tokony hokatsahina. Aoka hotombanana ambony indrindra hatrany ny hasina maha-olona, ary miaraka amin'izay ny zava-manana aina hafa. Aoka tsy hoviraviraina tafahoatra amin'ny fanandramana ny aina. Raha misompatra sy manara-po ny olombelona dia iharan'ny hatezeran'ny natiora, toy ny tondra-drano, hain-tany, aretina. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
25 jona 2023 — Alahady Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 26-33)
♦ Nalefa any Frantsa tamin'ny alalan'ny fiara-manidina i Philippe François, ilay teratany Franntsay nifonja teny Tsiafahy noho ny raharaha Apollo-21... ♦ Niara-nankalaza ny iray volan'ny ankizy tamin'ireo ankizy tao an-drenivohitra sy tamin'ny Faritra samihafa teto amin'ny nosy ny Orange Madagasikara. Nofaranana omaly teny Analakely ny hetsika tao an-drenivohitra... ♦ Misedra fahasahiranana ankehitriny ny lalam-pihariana fiompiana akoho manatody lava sy ny akoho fakàna nofo. Nampihena ny famokarana hatrany amin'ny 50% ireo mpisahatra mivondrona ao amin'ny IPA Madagasikara...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco