♦ Handray anjara amin'ny matso ataon'ny foloalindahy malagasy eny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina amin'ny 26 jona izao ny solontenan'ny tafika frantsay... ♦ Nesorina tamin'ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc omaly ireo mpitandro filaminana mpiambina azy teny amin'ny trano fonenany eny Faravohitra. Naverina an-dakazery avokoa izy ireo... ♦ CISCO miisa 5, omaly, no namoaka voalohany ny vokam-panadinana CEPE natao tamin'ny talata lasa teo. Hivoaka mialohan'ny fetim-pirenena ny voka-panadinana any amin'ny CISCI hafa... ♦ Miaina anatin'ny hafanambe ny mponina any amin'ny ilany avaratra sy atsinanan'i Chine ankehitriny, mahatratra 40°C ny maripana...

Sitrak'Andriamanitra ny fivoarana sady soa ho an'ny zava-boahary rehetra satria mampamokatra ilay tso-drano tany am-piandohana hoe mitomboa ; ka ilay hoe mitombo dia sady mitombo isa no mitombo hatsarana. Tsara ny manamarika fa tsy fandrosoana ny fandringanana sy ny fifaninanana amin'Andriamanitra ; manoloana ny zava-boahary dia mpanjaka isika fa tsy mpanjakazaka. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

24 jona 2023 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Fankalazana manetriketrika — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)

♦ Miray hina amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fandaminana ireo hetsika rehetra anatin'ny Fetim-pirenena, ny Tafika Malagasy, ny Zadarimariam-pirenena ary ny Pôlisim-pirenena... ♦ Azo antoka ankehitriny ny fanaraha-maso ny seranam-piaramanidina sy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, fa efa manana fitaovana hitiliana izany isika, sy mpiasa voaofana manokana amin'izany... ♦ Nesorina tamin'ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana androany, ireo mpiambina azy eny amin'ny trano fonenany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...