♦ Miteraka resa-be ilay fanapahan-kevitry ny fitondràna tsy hanitsy ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana 2023. Fahadisoana lehibe na "faute grave" ny tsy hanaovana izany hoy ny antoko VHT... ♦ Vola 500 tapitrisa dôlara isan-taona no voahodikodina eo anivon'ny Jirama hoy ny solombavambahoaka Rolland Ratsiraka. Mangataka amin'y Bianco sy ny PAC izy, hanokatra fanadihadiana momba izany... ♦ Distrika 100 manerana ny nosy no kendrena hisitraka tetik'asa fiahiana ara-tsôsialy eo anivon'ny Ministeran'ny mponina amin'ity taona ity. Havaozina hanatsarana izany ny pôlitikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy...
♦ Maherin'ny 57.000 isa ireo tsy tomombana, maherin'ny 29.000 isa ireo anarana niverimberina ao anatin'ny lisi-pifidianana. Nampahafantatra izany ny Ceni omaly, taorian'ny fitsirihana natao tamin'io lisitra io... ♦ Nihaona tany Paris ny Filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Seha-pampandrosoana maro no voaresaky ny roa tonta tamin'izany... ♦ Antotan-kevitra mirefy 16 km no voatahiry eo anivon'ny Arsivam-pirenena malagasy nanomboka tamin'ny 1824. Nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Arsiva isika eto Madagasikara, nentina nampahafantarana izany....
Anisan'ny Olomasina tena mahaliana an'i Papa François tokoa raha i Md François de Sales, Mpampianatry ny Eglizy. Nanoratany taratasy apôstôlika mihitsy aza moa ny fahatsiarovana ny faha-400 taona nahafatesan'io Olomasina iray io nomeny ny lohateny hoe "Totum amoris est". I Md François de la Sales no nosafidian'ny Eglizy ho mpiaro ny mpanao gazety katôlika. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
10 jona 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco