♦ Tsy manana kandidà ny Eglizy Katôlika amin'ny fifidianana, hoy ny Fivondronamben'ny Eveka, tamin'ny hafatra nomeny. Nambaran'izy ireo fa olo-marina sy hendry ary tia tanindrazana, no mendrika hofidiana... ♦ Namafisin'ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo, fa 238.800 Ariary, ny karama farany ambany. Tsy misy intsony ny fanampiana avy amin'ny fanjakana amin'ny fandoavana azy io... ♦ Hotapahana amin'ny alahady izao ny fampiantranoan'i Madagasikara, na tsia, ny Lalaon'ny Nosy aty amin'ny Ranomasimbe Indiana. Miatrika fivoriana eto Antananarivo ny Kômitin'ny Lalaon'ny Nosy, mandinika izany...
Manoloana ny fenendrena dia maneho ny fankasitrahana ny Fiketrahana Masina sy mitondra ny teny fiarahabana ho an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diosezanina avy amin’ny diosezin’Antananarivo. Teraka ny 18 janoary 1973 tao Anosy avaratra, Antananarivo, i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona. Zanak’i Rakotojaona Jean Pierre sy Razafinjaika Hélène.
♦ Namoaka hafatra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, omaly. Nasian'izy ireo teny avokoa ireo tranga mahazo ny fiaraha-monina sy ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Tsy mila tetezamita ny Rodoben'ny Mpanohitra, araka ny fanambarana ôfisialy nataon'izy ireo. Mitaky ny amoahan'ny fitondrana ny datim-pifidianana ihany koa ny RMDM, tamin'ny fanambarany... ♦ Noroahana eo anivon'ny Tafika Malagasy, ireo miaramila enin-dahy nikasi-tànana sivily teny Avaradoha. Mamo izy ireo, rehefa avy nisotrosotro, ka nanakorontana sy nandratra olon-tsotra anankiroa...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco