♦ Telo volana tsy nandray vola ireo mpamatsy entana sy fitaovana ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Nanao hetsika fanairana izy ireo androany, rehefa nilazana fa tsy misy vola ny fanjakana fa ny karaman'ny mpiasa no laharam-pahamehana... ♦ Mitaraina ireo mpitatitra entana amin'ny RN-6, fa misy fakana vola atao amin'ny mpamily fiarabe, vao afaka miampita ilay fivilian-dalana alohan'Antsohihy... ♦ Nitokona ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny tranon'ny Oniversite eny Ankatso, noho ny fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny trano fonenana, efa dimy volana mahery izao...
♦ Manapa-kevitra arak'izay tiany amin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny Filoham-pirenena hoy ny Ministra teo aloha ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile. Tokony hajaina ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna manoloana ny hanajanonana ny fanaovana foto-drafitr'asa amin'ity taona ity... ♦ Manomana ireo ekipa mandrafitra azy hiatrika ny fanaraha-maso ny fifidianana amin'ity taona ity ny ivon-toerana SAFIDY. Manao ny atrik'asa fiofanana momba ny fifidianana tanterahana eto Antananarivo izy ireo... ♦ Hijoro afaka volana vitsy ny orinasa mpamokatra zezika NPK eto Madagasikara. Zezika 36.000 taonina isan-taona no hovokariny...
Ny faharerahan-tsaina dia miteraka famoizam-po. Ny famoizam-po mitondra ho any amin'ny famonoantena. Mba hisorohana zavatra maro dia ilàna fitandremana ny "faharerahan-tsaina". Fandaharana "Mba ho vanona" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mamonjy tsikelikely ny tokantranony ireo traboina amin'ny Faritra maro eto amin'ny nosy vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza teto amintsika. Mihena ny isan'ireo ivon-toerana vonjy maika nandraisana azy ireny... ♦ Tsy laharam-pahamehana amin'ny Fanjakàna intsony ny famahana ny olana sedrain'ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra hoy ny SECES. Manomana paik'ady vaovao hanohizana ny fitakiana izy ireo... ♦ Nisedra fahasahiranana ny mpisehatra rehetra tamin'ny fanatanterahana ny fanoratana anarana nitetezana tokantrano nandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy nifarana ny 31 janoary teo hoy ny ivon-toerana SAFIDY...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco