Vahinin'i Papa François tao VAtican, omaly alatsinainy, ny praiminisitra slovaque Peter Pellegrini. Isan'ny nivoitra tamin'io fihaonana io ny fanasan'andriamatoa Pellegrini an'i Papa hivahiny any Slovaquie.

Nitsidika ilay fampirantiana momba ny Tranonomby, tanterahina tsy lavitra an'i Vatican, i Papa François, ny tolakandron'ny alatsinainy teo.

Notendren'i Papa François ho préfet-n'ny kongregasiona misahana ny fanelezana ny Vaovao Mahafaly, ny alahady 8 desambra teo, ny Kardinaly Luis Antonio Tagle.

Tsy azo sarahana ny tambazotra eo amin'ny fiainan-tokantrano sy ny fiainam-pirenena satria ny ao amin'ny tokatrano no fiaingan'izany voalohany, koa Zo ny maha olom-pirenena ary mitaky adidy tsy hifampizaranao amin'ny olon-kafa. (04-12-2019)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...