Zoma 27 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

♦ Mba hahatrarantsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo, dia nanome 334 tapitrisa Dolara ny BAD, ary 200 tapitrisa Dolara kosa ny FIDA, ho fanatanterahana ny Pacte National de Madagascar... ♦ Mifanojo amin'ny fanavaozana ao anatin'ilay volavolan-dalana mifehy ny rafi-panabeazana eto Madagasikara, izay vao nankatoavin'ny HCC androany, ny vokatry ny fanadihadiana momba ny fampianarana, niarahan'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, izay nampahafantarina androany... ♦ Tafajoro ary nampahafantarina androany, ny Vovonana Lera, ivondronan'ireo Solombavam-bahoaka, mpitarika pôlitika, mpanao pôlitika samihafa, mijoro manohitra ny ambaran'izy ireo fa tsy rariny sy fanaparam-pahefana misy eto amin'ny firenena...

♦ Miato hatramin'ny rahampitso ny fampianarana ho an'ny ato amin'ny DREN Analamanga. Hisy fiatraikany amin'ny fianaran'ny ankizy ny fihatoana hoy ny lehiben'ny CISCO Atsimondrano. Azo atao anefa ny manarina izany... ♦ Mahita hevitra hanondranana antsokosoko ny volamena hatrany ireo mpanao izany. Saron'ny fadin-tseranana Malagasy tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny teratany Indiana nampiasa izany fomba izany ny 20 janoary lasa teo tamin'ny zotram-piaramanidina vahiny iray... ♦ Nandahateny nandritra ilay fihaonana an-tampony andiany faharoa momba ny sakafo ho an'i Afrika tanterahana any Senegal omaly ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Mamono olona maro eran-tany noho ny ady hoy izy ny hanohanana...

Ny olona tsirairay dia tsy maintsy manana vina sy tanjona raha te-ho tafita eo amin'ny fiainana. Io vina sy tanjona io dia azo avy amin'ny fananana "fahefana anaty" izay fanalahidin'ny fiainana manontolo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...