♦ Tombanana hiditra an-tanety any amin'ny tapany avaratry ny Distrikan'Antalaha amin'ity maraina ity ilay rivo-doza "forte tempête tropicale" Cheneso. Tany amin'ny 75 km atsinanana somary avaratra atsinanan'i Sambava no nisy ny foibeny tamin'ny 3ora maraina teo... ♦ Tsy hiverina hanohy ny asany ireo mpiasa eny amin'ny Lycée Nanisana raha tsy amin'ny alatsinainy izao. Voalaza fa nanomboka nivoaka ny tolakandro teo ny "bon de caisse" amin'ny fisitrahana ny "vacation BEPC"... ♦ Manome 10 andro ireo tompon'andraikitra mahefa mba hanokafana sy hizarana ny trano vaovaon'ny mpianatra ireo mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo Antananarivo. Efa tara herintaona ny fampanantenan'ny Ministra mpiahy amin'ny fisokafan'ny trano...
Ny maha samy hafa ny "didy sy ny safidy" : Ny didy dia tsy hananana safidy fa tsy maintsy atao. Ny safidy dia manambara zavatra azo atao na tsia fa miankina tanteraka amin'ny sitrapo. Ny maha samy hafa ny didy sy ny safidy dia ny vokany. Ny Kristiana vita batemy dia mampandefitra ny safidiny sy ny sitrapony fa mikatsaka sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alakamisy 19 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12
♦ Nivoatra haingana ka niakatra ho 80km/ora ny rivotra entin'ilay rivodoza Cheneso, izay arahana tafiotra 110km/ora. Tombanana hiroso ho rahampitso vao maraina ny fidirany an-tanety, eo anelanelan'i Vohémar sy Antalaha... ♦ Tsy hiverina handray ny asany ireo mpiasa eny amin'ny Lycée Nanisana, raha tsy amin'ny alatsinainy izao. Voalaza fa nanomboka nivoaka ny tolakandro teo ny Bon de caisse, amin'ny fisitrahana ny vacation BEPC... ♦ Manome 10 andro ny tompon'andraikitra mahefa, mba hanokafana sy hizarana ny trano vaovaon'ny mpianatra Cité R+1, kosa ireo mpianatra...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco