♦ Na nisy aza ny krizy eran-tany sy ny voka-dratsy nateraky ny fiovan'ny toetr'andro dia vitan'i Madagasikara ny nihazona naha-marin-toerana ny toe-karena faobe hoy ny Filoha Lefitry ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo, Ramatoa Victoria Kwakwa... ♦ Isan'ny sakana amin'ny fampivoarana ny indostria eto Madagasikara ny olana amin'ny angovo, ny fahasarotana amin'ny fahazoana famatsiam-bola, ary ny olana eo amin'ny hetra. Omaly ny andro natokana ho an'ny indostria aty Afrika... ♦ Mbola nikatso hatramin'ny omaly ny fivorian'ny Loholona nikasa handinika ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2023 noho ny fitakiana karama volana nôvambra nataon'ny mpiasa...
07 desambra — Teraka ny 340 tao Trèves i Ambroise, taona nahafatesan'i Constantin II. Ambrosius no anaran'ny rainy, mpiasam-panjakana izy io, préfet du prétoire des Gaules. Teo amin'ny fahadimy amby roapolo taonany izy no lasa mpiasam-panjakana ambony, toa an-drainy ihany koa, tamin'ny fitantanana ny fanjakan'ny amperora tao Roma.
Tsy vitan'ny hoe mangataka amin'Andriamanitra mba hanana "hatsaram-panahy maha bitika" isika fa mila miditra amin'ny sekolin'i Jesoa Kristy, Ilay malemy fanahy sy manetri-tena ao am-po mba hianatra ny halemem-panahiny. Ny fitiavana dia miseho amin'ny alalan'ny fahafoizan-tena, fahafoizana fotoana. Mila malemy fanahy tahaka an'i Jesoa Kristy isika amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fifanampiana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Alarobia 7 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco