♦ Olom-pirenena maherin'ny 5.000.000 isa ihany no efa tafitditra anaty lisitry ny mpifidy amin'izao fanavaozana manontolo izao. Mbola ny 37% amin'ny tanjona napetraky ny CENI ihany no tratra ankehitriny... ♦ Resy teo anivon'ny filan-kevi-panjakàna ireo mpirakidraharaha tapaka karama tamin'ity volana nôvambra ity, noho ilay fitokonana farany teo. Milaza ho tsy mahefa hitsara ny fitorian'izy ireo ity fitsaràna ity... ♦ Handray anjara amin'ny fanamarihana ny andro eran-tany iadiana amin'ny SIDA ny Fiangonana Katôlika. Misy ny hetsika fanentanana sy fampirantiana eny Analakely hatramin'ny rahampitso, izay ivon'ny fankalazàna...

30 nôvambra — Teraka tao Bethsaïde tao Galilée, amoron'ny farihin'i Tibériade i André. Mpanjono no asany, ary niaraka tamin'ny rahalahiny nantsoina hoe Simon izy tamin'izany. Mpianatr'i Jean-Baptiste izy ireo teo aloha, ary io no heverina fa nanao batemy azy.

Ny fiainana dia ny fampifanarahana ny finoana amin'ny atao. Ezahina tsy hisy fifanoherana izay tanterahina sy ny inoana. Mila resena sy alavirina izay rehetra mety ho endrika : fangalarana, fisolokiana, fanambakana, fanararaotana, risoriso, lainga. Ny zavatra ilaina dia ny firindràna tanteraka eo amin'ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Alarobia 30 nôvambra 2022 — Masindahy André, Apôstôly — Fankalazana — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...