Mba hizorana amin'ny lalam-baovao takian'ny Evanjely dia tsy maintsy miezaka isika, na ny  isam-batanolona na isam-pianakaviana mba hiaina ny  fahantrana hatoron'ny Vaovao Mahafaly. Io fahantrana io dia mifototra indrindra amin'ny hoe tsy miankina amin'ny zavatry ny tany, fa mametraka tanteraka ny fahatokisana an'Andriamanitra. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

Alakamisy 17 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 41-44

♦ Tombanana hiakatra 4,9% ny tahan'ny harin-kareny faobe eto Madagasikara amin'ny taona 2023, araka ny voafaritra anatin'ny volavolan-dalana hifehy ny tetibolam-panjakana. Efa nivoaka ireo vinavina ara-toekarena voarakitra ao anatin'izany... ♦ Mandinika ny raharaham-pirenena amin'ny alalan'ilay sehatra Havoria ny firaisamonim-pirenena manomboka androany, ka hatramin'ny zoma izao. Dinika handresena lahatra ireo mpanapa-kevitra eto amin'ny firenena... ♦ Hitadiavana paikady ny tondra-drano isam-pahavaratra an-drenivohitra sy ny manodidina...

♦ Nanamafy ny fampitandremana ireo solombavambahoaka tsy tonga mivory amin'izao fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa izao ny Filohan'ny Antenieram-pirenena Ramatoa Christine Razanamahasoa... ♦ Olona enina no efa matin'ny kéré tany amin'ny Distrikan'i Mananjary raha ny tatitry ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana... ♦Tsy azo iodivirana ny fampiharana ny fambolena an-tanan-dehibe ho an'i Madagasikara noho ny fihazakazahan'ny fitomboan'ny isan'ny mponina... ♦  Tontosa androany maraina ny fandefasan'ny NASA an'ilay sambondanitra ARTEMIS hihazo ny volana. Voalaza ho sambondanitra matanjaka indrindra eran-tany izy io...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...