♦ Mila hovaina ny fehezan-dalana momba ny fiahiana ara-tsôsialin'ny mpiasa eto Madagasikara mba hanatsaràna ny tahan'ny asa mendrika. Antso nataon'ny Praiministra nandritra ny fanakatonana ny fikaonandoha momba ny asa mendrika natao tao an-drenivohitra... ♦ Nahafa-po ny mpanao tombana ny fomba fiasan'ny 65% amin'ny tale nanaovana tombana ao amin'ny orinasa JIRAMA. Harenina ny lesoka ho an'ireo 35%. Tale miisa 30/40 no vita fanadihadiana... ♦ Mihamitombo isan-kerinandro ny isan'ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 71 ny tranga voatily ny 5 hatramin'ny faha 11 novambra teo...
14 nôvambra — Teraka ny 27 desambra 1737 tao Saragosse tao Espagne i Joseph Pignatelli. Avy amin'ny fianakaviana andriana izy. Italianina izy avy amin'ny rainy, Antonio Pignatelli, fa ny reniny kosa espagnole, Francesca Moncayo-Fernandez de Heredia. Mbola vao efa-taona monja i Joseph no maty ny reniny, ary nobeazina tany Naples izy.
Mipetraka ny fanontaniana manao hoe : inona no antom-pisiantsika olombelona ety an-tany? Maro ny hamaly hoe : hikaroka fahasambarana. Marina izany, noharian'Andriamanitra mba ho sambatra tokoa isika. Maro anefa no diso lalana amin'ny fikarohana izany fahasambarana izany, misy mihevitra fa fananana vola izany na harena sy voninahitra... Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Alatsinainy 14 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 35-43
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco