Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.

♦Mbola tsy voafaritra aloha hatramin'izao na ho tanteraka na tsia ny famerenana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolontsaina any amin'ireo kaominina izay nahitàna olana, nandritra ny fifidianana farany teo... ♦ Nanjombona tsy toy ny isan-taona ny fanamarihana ny fetin'ny asa omaly voalohan'ny volana mey ho an'ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE... ♦ Nandrombaka medaly volamena 20 isa ny atleta Malagasy fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika natao tatsy Maurice... ♦ Mangata-bavaka amin'ny Kristianina, indrindra ny mpino katôlika, ireo kardinaly mivory ao Rome ankehitriny mba ho tontosa saoamantsara ny "conclave" izay ho atrehan'izy ireo...

♦ Lanonana tsotra tao anatin'ny hafaliana no nitsenan'ny Fianakaviambe Salezianina an'ny Mompera Innocent Bizimana. Izy izay voafidy ho mpanolontsaim-paritry ny fikambanana Salezianina aty amin'ny faritra Afrika-Atsinanana sy atsimo... ♦ Fanombohan-javatra ihany ny omaly 1 mey fa mitohy ny tolona, hoy ny valabe firaisankinan'ny sendika eto Madagasikara (SSM)... ♦ Mandray ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety 2025 ny any Morondava, Faritra Menabe. Haharitra telo andro ny fanamarihana...

02 mey — I Md Athanase resahina eto dia ilay Mpampianatry ny Fiangonana. Teraka tao Alexandrie ny 296 izy, nobehazina sy nampianarin’ny fianakaviany araka izay tratra, ary tsy niala tao an-tranon-drainy izy raha tsy efa ho any amin’ny tempolin’ny Tompo, hobeazin’ny eveka tao Alexandrie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...