Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny famokarana masomboly nohatsaraina aparitaka eny amin’ny tantsaha ny OPR SOA MITAMBATRA. Vovonam-pikambanana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ity fikambanan’ny tantsaha iray ity. Miparitaka amin’ny distrika miisa efatra, dia Ambatofinandrahana, Fandriana, Manandriana ary Ambositra ny OPR SOA MITAMBATRA. Ahitana mpikambana mpamokatra masomboly 174. Mamokata masomboly 40 Taonina isan-taona eo ho eo...
• Andro faharoa amin'ny hetsika fitakiana jiro sy rano anio. Mitohy ny hetsika ary mbola misy ireo mikasa hanararaotra handroba... • Naneho hevitra voalohany, teo amin'ny pejy Facebook-ny, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina. Manameloka ny fihetsika fanapotehana sy fahapotehana tiana apetraka eto amin'ny firenena... • Hiatrika fivoriana anio tolakandro ny FFKM ary hanao fanambarana. Azo antoka fa mahakasika ny zava-misy eto amin'ny firenena no lahadinika amin'izany...
Miatrika fanamby maro ny tanora ankehitriny, ary miaina anaty faharefoana ny ankamaroany. Maro ny antony mahatonga izany, toy ny tsy fananan’asa, tsy fanajana ny soatoavina, fanamby ara-pahasalamana, ary indrindra ny fanabeazana tsy lavorary. Noho izany, ilaina ny fandraisana andraikitry ny olon-drehetra sy ny sehetra samihafa, mba hanome lanja ny fanabeazana sy ny finoana ho hery hiatrehana ny ho avy mamiratra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Navesatra ny takaitra navelan'ny fanararaotana sy ny fandrobana nataon'ny andian'olona alina. Toeram-pivarotana lehibe maro no voaroba, nisy ny maty sy naratra ary ny voasambotra, vokatry ny hetsika fitakiana jiro sy rano... • Notapahan'ny OMC Nasionaly ny fampiatoana ny fampianarana ho an'ny Distrikan'Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe Voalohany, anio zoma. Tsy nihatra amin'ny ankapobeny, ny fanapahan'ny OMC Nasionaly, mandidy ny tsy fahafahana mivezivezy manomboka amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina... • Mitohy hatrany ny fanosihosena ny fahalalahan'ny mpanao gazety manao ny asany. Lasibatry ny daroky ny mpitandro ny filaminana indray mantsy omaly ny mpanao gazety nandrakotra ny vaovao...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco