Talata 15 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10

♦ Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana ny Evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, mba hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana amin'ny resaka tsy fandriam-pahalemana... ♦ Mbola goavana ny fanarenana ny Air Madagascar, satria misedra fahasahiranana tanteraka ity Kaompaniam-pitaterana anabakabaka ity... ♦ Nodinihana nandritra ny fivoriana itambarambe teny Tsimbazaza ny tolo-dalana handrindrana ny sata hifehy ireo mpankanto...

♦ Tontosa teny amin'ny Cénacle Ambohipo, ny 10 hatramin'ny 13 nôvambra 2022 ny Filankevitra Nasiônalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy... ♦ Ny mikasika ny dikan'ny faharetana no fampianarana nentin'ny Papa François, nitarihana ny sain'ny mpino, ny alahady 13 nôvambra 2022, nandritra ny vavaka Angelus... ♦ Mpikambana 150 amin'ireo mpilatsaka antsitrapo iraisam-pirenena, mivondrona ao amin'ny Fédération des Organismes Chrétiens de Service International de Volontariat, no nihaona tamin'ny Papa François, androany maraina...

♦ Nilatsaham-potaka ny fiangonana katôlika Mahatsinjokely, distrikan'i Bemahatazana, diôsezin'i Tsiroanomandidy ny alin'ny sabotsy. Miisa roa no namoy ny ainy teo noho eo, 30 kosa ireo naratra... ♦ Miazakazaka ny fitombon'ny isan'ny mponina mipetraka amin'ny toeram-ponenana tsy zarizary ho an'ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Ho an'Antananarivo renivohitra, mandray olona vaovao tonga manoro-ponenana manodidina ny iray hetsy isan-taona ; ny ankamaroan'izy ireo saika mamonjy ny toeram-ponenana tsy zarizary avokoa... ♦ Mbola tsy ampy ny isan'ny injeniera eto Madagasikara. Miisa 15 000 izy ireo, 40 000 isa mahery anefa ny filàna afaka folo taona...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...