Zoma 22 jolay 2022 — Masimbavy Marie Madeleine — Lazao anay, ry Maria, izay hitanao teny an-dalana. Ny fasan'i Kristy velona no hitako sy ny voninahitr'Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1-2. 11-18
♦ Andrasana eny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny nofo mangatsiakan'i Rak Roots, nanomboka ny hariva teo... ♦ Tafatsangana androany ny vondrona pôlitika VPHM na Vondrona Pôlitika Hafa Miray. Nandiso fanantenana ny vahoaka hatrany ny olona nametrahany fitokisana hitondra ny firenena hatramin'izay, hoy ny fanambaran'izy ireo... ♦ Nilefitra, ka nampidina ho 600 Ariary ny saran-dalana ny Taxibe ao an-drenivohitra sy ny FMA sy ireo mpitatitra sasan-tsasany ao anatin'ny UCTU...
♦ Haranty any Nuremberg any Allemagne ny 26 hatramin'ny 27 jolay izao ny vokatry ny fambolena ara-biolojia malagasy. Ny vokatra malagasy izay efa ahitàna lalam-barotra any Europe, Etats-Unis ary Asie... ♦ Tantsaha 600 isan'andro mpamokatra ronono ao amin'ny Faritra Matsiatra-Ambony no hisitraka tombotsoa amin'ny fihodinan'ny Toby fanodinana ronono ao Ibaoka, distrika Lalangiana. Foto-drafitr'asa hotokanana ny volana aogositra ho avy izao... ♦ Misaona ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry alina tany Mahajanga i Rakotonirina Loïc na i RaKroots...
Ny fahatokisan-tena no manala ny sakana anaty, ity farany ity, izay mitondra any amin'ny tsy fandrosoana mihitsy ho an'ny olona. Ny tsy fahatokisan-tena dia azo lazaina ho manapotika ny fiainana mihitsy. Fandaharana "Mba ho vanona" momba ny fahatokisan-tena, iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco