Alahady faharoa - Taona D fankalazana ny Paka : Tompoko sy Andriamanitro! ; nitsangana teo afovoan’ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Sambatra izay tsy nahita ka mino!". Miresaka ny fahefana hamela heloka ny tenin'Andriamanitra ifampizarana amin'izao alahadin'ny famindram-po izao. Andriamanitra dia mpamindra fo sy mihantra, tsy manadino ny fifanekena efa nisy, ary mandrakizay ny famindram-pony. Tsy mifidy olona hosoavina Andriamanitra. Toetran'Andriamanitra manokana ny famindram-po, ny famindram-po dia tsy manambara fahalemena fa tena fanehoana ny herin'Andriamanitra...
♦ Halevina anio ny nofo mangatsiakan'ny Papa François. Hisy ny Lamesa fanaovam-beloma azy farany eo amin'ny kianjan'ny Md Piera, hatrehan'ny olona an'aliny avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao... ♦ Tsy misy azo antenaina ny hamerenan'i Frantsa amin'i Madagasikara ireo NOSY MANODIDINA. Fanjanahan-tany amin'ny endriny vaovao indray aza no ataony, hoy ny solombavambahoaka an'i Faratsiho, momba ny fitsidihan'ny filoha Frantsay... ♦ Sendikalista 2 no nampidirina am-ponja vonjimaika, 2 voaroaka ao amin'ny orinasa SMMC any Toamasina. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny MInistera voakasik'izany ny Sendikà FISEMARE...
26 aprily — Ilay papa fahatelo nitondra ny Fiangonana nanomboka ny taona 79 hatramin'ny 91 no i Masindahy Clet resahana eto. Araka ny voarakitra ao amin'ny Liber pontificalis dia Romana i Clet ary i Emilien no anaran-drainy. Teraka tao Patricius ao anatin'ny faritr'i Esquilin izy, izay tsy mifanalavitra loatra amin'ny toerana nipetrahan'i Masindahy Pierre.
Tokony hihaino ny feon'ny Vahoakan'Andriamanitra ny mpiandry azy : indrindra momba izy iainany, ny fiainam-pinoany amin'ny andavanandro, ny zavatra tsapany ara-panahy. Harena ho an'ny Eglizy izany satria miteny amin'ny alalan'izy ireny ihany koa ny Fanahy Masina. Voaantso hiaina ny fiombonana anatin'ny finoana lalina ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco