♦ Miisa 24 ny Eveka amperin'asa mandrafitra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Nohamasinina ho Eveka, omaly, Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste, notendren'i Papa Léon-XIV, ho Eveka mpanampy ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nahatratra 5 taonina ny fako voahangona nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an'ny fanadiovana ny planeta notanterahana teny Tanjombato sy ny manodidina ho an'ny teto Antananarivo. Azo avadika ho akora vaovao indray ny fako plastika voahangona... ♦ Nitsidika toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo ny faran'ny herinandro teo... 

Lova sarobidy hoan’ny taranaka fara-madimby ny fampianarana sy ny fanabeazana tsara rindra. Iarahantsika rehetra manaiky izany. Tsy misy firenena vanona afaka mahatratra ny fandrosoana ihany koa raha tsy misitraka ny fanabeazana sahaza azy ny olom-pirenena ao aminy. Tsy azo atao ambanin-javatra, tsy maintsy atao laharam-pamehana amin’ireo sehatr’asa maro samihafa noho izany ny fampianarana sy ny fanbeazana raha te hanana taranaka mahatsangy no hary araka ny fiteny isika. 

Tanan'ny Eglizy Reny Masina ho zava-masina, ho fitsipika noraisina avy amin'ny finoan'ny Apôstôly ireo boky tsy misy nahabangàna ao amin'ny Testamenta na ny Tranainy na ny Vaovao miaraka amin'ireo fitsinjarazarana ao aminy. Andriamanitra no mpamorona azy noho ireo boky ireo voasoratra avy amin'ny fanilovan'ny Fanahy Masina, ary nolovain'ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

♦ Baraingo mipetraka ny ho tohin'ny fikasan'i Clémence Rahariniriana sy Alban Rakotoarisoa hanao hetsika eny Ambohijato amin'ny alakamisy izao... ♦ Tsy marina ary tsaho ny feo mandeha hoe misy asidra ny rano any amin'ny faritra atsinanana... ♦ Notanterahina teny amin'ny kaominina Tanjombato nanomboka androany ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny fanadiovana... ♦ Miomana hatrany amin'ny fanafihana ny renivohitra Gaza ny tafika israeliana amin'ity sabotsy ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...