Antso ny maha pretra na relijiozy, ilana fahaizana mihaino izany indrindra rehefa misy famantarana. Manantona ny pretra tompom-paritany no dingana akaiky indrindra avy eo misafidy ny fikambanana mba hahafahana manamasin-tena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 14 oktobra 2021 — Herinandro favalo amby roapolo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 47-54
♦ Feno efa-taona androany ny nahafatesan'ny Filoha teo aloha, ny Pr Zafy Albert. Mbola misy amin'ireo mpiara-dia aminy no mitaky ny hanokafana ny Kianjan'ny demokrasia eny Ambohijatovo... ♦ Tsy liana ary tsy resy lahatra amin'ny voka-tsoa azo avy amin'ny fandalinana ny literatiora malagasy sy ny boky ny ankizy Malagasy... ♦ Lavon'ny Polisim-pirenena teny Tanjombtao kosa ny tolakandro teo ny jiolahy miisa telo...
♦ Mandritra ny filan-kevitry ny ministra anio no handinihana lalina ny fanokafana ny sisin-tanin'i Madagasikara, indrindra ny manodidina ny sehatry ny fahasalamana... ♦ Hifarana tanteraka ny zoma 29 oktobra ho avy izao ny fe-potoana niasan'ireo mpikambana nandrafitra ny CENI... ♦ Ampahafantarina ireo solombavambahoaka sy ireo loholon'i Madagasikara ny foto-kevitra sy zo fototra momba ny tontolon'ny asa, eo anivon'ny OIT. Jerena koa ny momba ny fankatoavana ireo fifanarahana sy lalàna iraisam-pirenena, izay andraikitry ny parlemanta. Anatin'ny atrik'asa atao any Antsirabe...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco