Ny tontolo iainany sy ny manodidina dia misy fiatraikany eo amin' ny fahatokisatena; songadinina manokana amin' izany ary ny haino aman-jery. (21-04-2021)

♦ Hiasa mafy, hampanaja ny fihibohana tanteraka ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga ny sabotsy sy alahady izao, ny mpitandro ny filaminana. Polisy an'arivony no indray hahetsika ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina... ♦ 35% ny tahan'ny fiaboan'ny olona mitondra ny Coronavirus, tamin'ny fitiliana natao ny talata lasa teo. Miisa 390 ny tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina. Olona enina no namoy ny ainy, araka ny tatitra nivoaka omaly...

Rehefa tsy hiainana moa ny finoana dia kristianina sarisary ny fianakaviana iray. Ary rehefa toy izany dia manao fitaovana ny fivavahana ho fiarovan-tena sy ampiasaina amin’ny ara-politika. Ny tena ratsy dia lasa fieren-jiolahy mihitsy ny Fiangonana, izany hoe mody mivavaka mba hanafenana ny asa ratsy rehetra natao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Alakamisy 22 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-51

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...