♦ Nitrangàna lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona indray tany amin'ny Lalam-pirenena voalohany tany Miarinarivo omaly maraina : olona 4 no maty 7 naratra... ♦ Mbola mitohy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny paositra malagasy. Milaza ny vonona hihaona amin'ny Ministra tompon'andraikitra izy ireo... ♦ Ho foanana tsikelikely ny fampiasàna mercure amin'ny fitrandrahana volamena eto Madagasikara, noho ny voka-dratsy ara-pahasalamana sy tontolo iainana aterak'izany...
Ny fanahy dia ilay fahaiza-miaina sy toetra tsara ananana. Efatra ireo hatsaram-panahy fototra dia ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onona. Manana ny maha izy azy ny olona rehefa tomady sy mahira-tsaina, mahery fo sy tsara fanahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.
Talata 13 jolay 2021 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 20-24
♦ Olona 04 maty ary 07 naratra mafy, androany, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambohimitarona-Miarinarivo... ♦ Niatrika fanadinana bakalôrea katôlika nanomboka androany ary haharitra efarana ireo sekoly katôlika avy amin'ny diôsezy 14... ♦ Naneho ny fahavononany hidinika saingy mbola nametraka fepetra ireo mpiasan'ny paositra malagasy izay mbola nanohy ny fitokonana androany...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco