Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin’i Tsiroanomadidy i Mgr Gabriel Randrianantenaina. Efatra taona lasa izay no nanendrena an’i Mgr Gustavo Bombin Espino, evekan’io dioezy io teo aloha ho evekan’i Maintirano. Ny alahady 11 jolay 2021 no nanatanterahana ny fanamasinana azy ho eo amin’ny laharana mahaeveka, tao amin’ny kianjan’ny lisem-panjakana, tao amin’ny renivohitry Tsiroanomandidy.

♦ Mananontanona an'i Madagasikara ilay tsimok'aretina Coronavirus miova endrika miparitaka amin'ny firenena maro era-tany ka mbola mikatona aloha ny sisin-tany... ♦ Herin-taona mialohan'ny hifaranan'ny teti-pivoaran'ny fanabeazana na PSE dia 60% no vita tamin'ireo tokony notanterahana... ♦ Takian'ny RMDM any Toamasina ny hanavaozana ny lalàm-panorenana, izay nambaran'izy ireo fa fototry ny disadisa misy ankehitriny... 

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana sy ny fametrahana an'i Mgr Gabriel Randrianantenaina ho Evekan'i Tsiroanomandidy... ♦ Mitohy mandritra ny 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana, hoenjanina ny fampanarahana ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan'ny valan'aretina... ♦ Ho tanterahana manomboka anio ka haharitra 04 andro ny fanadinana bakalôrea katôlika. Diôsezy 14 amin'ireo 21 manerana ny nosy no vonona hiatrika izany amin'ity taona ity... 

Fo : efitra anatiny indrindra amin'ny olombelona, mirakitra tsiambaratelo, foiben'ny fanapahan-kevitra. Ao no mitoetra ny hetsika rehetra na ny fitiavana na fankahalana, hafaliana na alahelo, famindram-po na lolom-po. Mila tezaina ny fo fa antoky ny fiainana maha olona. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...