Mibaiko ny fiainana ny finoana ary mamaritra ny maha izy ny tena. Fiaraha-miaina amin'Andriamanitra ny finoana ka tsy maintsy hajaina ny didiNy. Ny kristiana dia mino fa any an-tranon'ny Ray, misy toerana omanin'i Kristy, Izy irery no lalana marina mankany amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Alakamisy 8 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15
♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hijeren'ny Governemanta ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny na ireo antoko ivelan'ny fitondrana na ireo miara-dia amin'ny mpitondra... ♦ Nanomboka androany ny fitsarana ny CEPE. Eo ho eo ihany ny fahaizan'ny mpiadina ny taranja malagasy...
♦ Ho tanterahana rahampitso ny fikaonan-doha voalohany momba ny rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara. Miisa 50 ireo handray anjara avy amin'ny faritra 22, hampiasa ny teknôlôjian'ny fifandraisan-davitra ahafahana mifanakalo hevitra... ♦ Nivory voalohany ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tetik'asa Papriz andiany fahatelo. Tanjona ny fahaleovantena ara-tsakafo amin'ny taona 2023... ♦ Nanome baiko ny ministry ny fahasalamam-bahoaka fa tsy maintsy atao peta-drindrina avokoa ny anaram-panafody maimaim-poana eny amin'ny CSB rehetra...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco