♦ Efa ao anatin'ny fanatanterahana ny fandaharan'asa momba ny fivarotana entona "carbone" amin'ny alalan'ny fiarovana ny ala voajanahary i Madagasikara. Tafiditra amin'ny ezaka hanamafisana ny ady amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy, ireo no misintona ny entona manepotra... ♦ Ramanavy na "chauve-souris à ventouse" dia isan'ireo hita eto Madagasikara. Misy an'ilay karazany kely indrindra eto, ary miavaka noho ny firafitry ny tendron'ny tongony sy ny tanany, somary boribory sy misy fantsy maranitra...
♦ Amperin'asa nanomboka androany ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny HCC. Tontosa androany maraina ny lanonana ara-pitsaràna momba ny fihanianan'izy ireo... ♦ Tsy sasatry ny manentana ny olom-pirenena hanao ny arovava sy orona eny amin'ny toerana ifamezivezen'ny olona ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fiparitahan'ny Covid... ♦ Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra...
Ianao ihany no sakana mampisy ny tsy fahatokisantena, nefa mety hitarika tsy fahombiazana izany. (07-04-2021)
♦ Tsy maharaka amin'ny fandraisana ireo mararin'ny Covid-19 intsony ny toeram-pitsaboana eto an-drenivohitra. Nampiana ny isan'ny CTC. Hapetraka ihany koa ny hotely hopitaly hanampiana ny toerana handraisana ny marary... ♦ Hisitraka fanampiana indray ireo olona marefo noho ny fiatrehana n y valan'aretina coronavirus... ♦ Nanao fihetsiketsehana teny Ampefiloha indray androany ireo tompon'ny orinasa sy ny mpiasa misahana ny fikojakojàna ny lalam-pirenena, tsy mbola voaloa hatramin'izao ny volan'izy ireo...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco