♦ Hikatona amin'ity anio ity ny fivoriana ara-potoanan'ny Antenimiera mpanao lalana. Ho faranana amin'ny fametraham-panontanian'ny Solombavam-bahoaka amin'ireo Ministra izany, ho an'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Hanomboka amin'ny tapatapak'ity volana ity ny fitateram-bahoaka mampitohy an'Ivato - Tsarasaotra - Ankorondrano. Orinasam-pitaterana hanolotra tolo-draharaha raitra no hitrandraka izany zotra izany...
Ny fanabeazana ara-pananahana mari-pototra dia mahakasika ny ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy ary ara-piaraha-monina. Ny ray aman-dreny no tompon'antoka voalohany amin'izany mba tsy hanara-drenirano sy hihinana amam-bolony izay hita sy re ny tanora. Ny tanora dia entanina hifampiresaka amin'ny ray aman-dreny sy ny mpanabe...
♦ Nifanatrika tamin'ny Solombavam-bahoaka tetsy amin'ny CCI Ivato ny mpikambana ao amin'ny Governemanta, notarihan'ny Praiminisitra androany. Ny momba ireo olana ara-tsôsialy no tena nangatahan'ireo depiote fa mila famahana haingana... ♦ Mitaraina ho misy mandrahona ny mpitarika ireo mpiasan'ny Paositra Malagasy izay manao fitokonana eny Antaninarenina. Mbola nitohy androany ny hetsi-pitakiana...
Nalaza tamin'ny fangalana sokatra antsokosoko tany anaty ala ary mpihinana ny henany hatramin'izay ny mponina ao amin'ny Kaominina Lazarivo, Fotadrevo, Soamanga, Anavo. Nihena ny fitrandrahana antsokosoko ny sokatra vokatry ny asa fanentanana amin'ny fiarovana ny sokatra any amin'ny faritra Atsimo-Andrefana. Hatao sakafo no antony hihazàn'ny olona ny sokatra indrindra fa amin'ny volana novambra hatramin'ny marsa...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco