Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: "Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy." Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe: "Atao ahoana no hahatonga izany?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va? Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra etý an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay."
Nisy Farisianina anankiray atao hoe Nikôdema, isan’ny lehibe tamin’ny Jody. Nankao amin’i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe: "Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra." Ary hoy i Nikôdema taminy: "Ataon’ny olona ahoana no hateraka indray rahefa antitra izy? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray?" Fa hoy i Jesoa: "Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy. Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy."
Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana!" Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa". Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: "Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana".
Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: "Efa nahita ny Tompo izahay". Fa hoy izy tamin’izy ireo: "Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho". Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany, sady tao koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana!" Ary hoy Izy tamin’i Tômà: "Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino". Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro!" Fa hoy i Jesoa taminy: "Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino". Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo, fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.
♦ valan'aretina entin'ny coronavirus, maherin'ny 500 isan'andro ny tranga vaovao tao anatin'ny 03 andro nisesy, manodidina ny 35% ny tahan'ny fiaboan'ny fitiliana ary 500 ny fitambaran'ny olona lavon'ny aretina teto Madagasikara... ♦ Amperin'asa nanomboka omaly ireo dokotera mpitsabo sy mpitsabo mpanampy nanolo-tanana tamin'ny antso nataon'ny fitondram-panjakàna faritra Analamanga... ♦ Nandripaka omby 400 mahery tao amin'ny distrikan'i Mananjary tao anatin'ny roatokom-bolana ny FVR...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco