Alarobia 10 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19
♦ Mivory eto Antananarivo ny Komity mpanatanteraka ao amin'ny Vaomiera Episkôpaly misahana ny Eokomenisma, eo anivon'ny Fiangonana Katôlika. Fivoriana voalohany amin'ity taona ity, izay hifarana rahampitso... ♦ Nitokana fotodrafitrasa maromaro tany Antsiranana ny Filoham-pirenena mivady. Isan'izany ny Banja, na ny Tranoben'ny kolontsaina sy ny serasera, ny Lycée manara-penitra voalohany eto Madagasikara...
♦ Tokony hiova aorian'ny zoma izao ny filohan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana, aorian'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'Andriamatoa Jean Eric Rakotoarisoa... ♦ Mbola namerina ny tsy maintsy hampiharan'ny Jirama ny "tarif Optima" ny Banky iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny solontenany... ♦ Efa herin-taona izao no voarirarira tsy nahazo ny karamany ireo mpiasan'ny PMU-Madagascar...
♦ Nanakoako nanerana ny nosy omaly ny fanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny Vehivavy. Tany Antsiranana ny fanamarihana nasiônaly, notarihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena tamin'ny alalan'ny fambolena honko... ♦ Mitaky amin'ny fitondrana malagasy, hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena hampiroboroboana ny zon'ny vehivavy ny Filankevi-pirenena momba ny vehivavy eto Madagasikara...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco