♦ Manahy amin'ny toe-java-misy any amin'ny faritra atsimon'ny  nosy ny rafitra iraisam-pirenena. Olona an'arivony avy any amin'ny faritra Androy no mifindra monina... ♦ Misedra fahasairanana ny sekolim-panjakàna sasany noho ny tsy fahazoan'ny mpampianatra Fram vola fanampiana... ♦ Tsy mbola miverina ny fahafahana mitrandraka ala taorian'ny fepetra noraisin'ny ministeran'ny tontolo iainana...

Ny toe-tsaina ho entina miatrika fiainana. safidy ny an'ny tsirairay na hanaiky iharany na handray an-tànana ny fiainana sy hanova zavatra ary resy lahatra hitondra anjara hanatsaràna ny fiainana. Aza miandry ny hafa fa manana hery anaty ianao...  

♦  Tsy mendrika ny vahoaka Malagasy intsony ny zava-nitranga tamin'ny 7 febroary 2009. Tsy mihemotra ny fanjakana fa tsy maintsy mandroso i Madagasikara, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Namaky ady tamin'ny mpanohitra ny mpitondra, raha nanakatsakana ny mpiara-dia tamin'izy ireo nankeny Imerinkasinina tamin'ny fomba samihafa ny sabotsy teo, hoy ny mpitarika. Mitohy ny tolona, hanao fanambarana amin'ny vahoaka Malagasy ny Miara-manonja amin'ny sabotsy 13 febroary ho avy izao...

Alatsinainy 8 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 53-56

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...