Vonona hatrany hanohana sy hikarakara ny marary sy ireo olona marefo ao amin’ny faritr’i GAZA ny CARITAS ao Jerosalema. Nanamafy izany ny tale mpanatanterak’io sampana mpanao asa soa io.
Feno 43 taona tamin'ny 28 mai teo ny nanamasinana ho Eveka ny Papa Emérite Benoît faha-16. Fanamasinana notanterahina tao amin'ny katedraly Notre-Dame de Munich any Allemagne.
♦ Tafakatra 656 ny mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 44 ny tranga vaovao hita omaly... ♦ Mitaky ny hamoahana ny valin'ny fitikiana natao tany Vangaindrano ny solontenan'ny ray aman-dreny avy any an-toerana, Andriamatoa Cyril Rasambozafy... ♦ Vao mainka hiteraka olana ho an'ny mpanjifa ny fepetra vaovao nampiharin'ny Jirama amin'ny fomba fanefana ny jiro sy ny rano ankehitriny...
Zoma 29 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr'izao tontolo izao.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco