Zoma 05 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37 — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo ; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Manameloka ny endri-panavakavahana rehetra ary nananatra ny mponina any Etazonia noho ny fisian’ny herisetra izay manimba ny rehetra i Papa François tamin’ny “Audience Générale” notanterahany tao amin’ny lapa apôstôlikan’i Vatican, omaly.

♦ Niampy iray ny olona tratry ny Coronavirus, nondaosin'ny fahafatesana teto Madagasikara... ♦ Mitohy ny fanasaziana ny olona tsy mitondra aron-tava eny an-dalambe, na somary tsy voaresaka loatra aza ny amin'izany tato ho ato... ♦ Désiré Rafidimanana : Tsy tokony hanaovana fanararaotana pôlitika ny fahasahiranana iainan'ny firenena amin'izao...

♦ Eny amin'ny Araben'ny Fahaleovantena eny Analakely no fankalazana tokana ny faha-60 taonan'ny niverenan'ny fahaleovan-tena amin'ity taona ity... ♦ Efa vonona handray an-tanana ireo mararin'ny Coronavirus ny hôpitaly annexe any Moramanga... ♦ Maty antoka ny mpiompy ombivavy be ronono sy ireo misehatra amin'ny lalam-pihariana ronono noho ny Coronavirus...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...