• Miantso ireo Raiamandreny am-panahy tsy hihanona amin'ny fanambaràna ny Randrana Sendikaly, fa hamory ireo mpisehatra pôlitika. Miahiahy krisy eto amin'ny firenena ity vondrona sendikà ity...
  • Misy andro ratsy ahiana hivadika rivo-doza any antsinanan'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina hanambana ny morontsirak'i Madagasikara izy io ny sabotsy izao...
  • Ahiana hihena be ny voka-bary any Ambatondrazaka izay sompitr'i Madagasikara amin'ity taom-pambolena ity...
  • Nitrangàna horohoron-tany mahery vaika tany atsimo andrefan'i Chine androany. Nahatratra 6,8 amin'ny mari-drefy Richter ny heriny. Olona 53 farafahakeliny no namoy ny ainy, vokatr'izany...

Ny "Fankahatry" dia lahabolana malagasy, lahabolana fanehoam-pitiavana. Ny Fankahatry dia lahabolana fanaon'ireo Betsimisaraka ary noho izany dia amin'ny fiteny Betsimisaraka. Lahabolana fifampiatsiana fitiavana, somary ankolaka, ka ny lehilahy no manomboka azy ary manohina ny vehivavy ; isan'ny mampiavaka azy ny hoe tsy maintsy hifamalian'ny lahy sy ny vavy. Any amin'ny faritra atsinanana amin'ny nosy no misy ny foko mpanao ity lahabolana ity...

  • Nahiditrra am-ponja vonjimaika i Jean Luce Randriamihoatra noho ilay raharaha voka-pifidianana teo anivon'ny tranokalan'ny CENI. Naharitra ora maro ny fakàna am-bavany azy teny Anosy omaly...
  • Tsy hitsahatra hiakatra ny vidim-piainana amin'ity taona 2025 ity, hoy ny Profesora Ralison Roge...
  • Diso fanantenana amin'ny pôlitikan'ny fitondràna ho an'ny mpiasa amin'ity taona ity ny RANDRANA SENDIKALY. Nanantena izy ireo fa mba hisy ny fampiakaran-karama hifanitsy amin'ny fisondrotry ny vidim-piainana...
  • Nametra-pialàna omaly hariva ny Praiministra Kanadiana, Justin Trudeau. Antony ny tsy fananan'ny antoko Liberaly misy azy ny maro an'isa intsony, eo anivon'ny Parlemanta...

I Masindahy Raymond de Penyafort no ankalazaina ny 07 janoary. Teraka tokony ho tamin'ny 1175 tao amin'ny lapam-pianakaviana tao Vilafranca de Penedès akaikin'i Barcelone i Raymond. Fianakavian'ny mpanjaka tao Aragon sy ny Comte tao Bercelone izy.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...