Zava-dehibe ny maha iray tsy mivaky ny vahoaka Malagasy. Aoka hatsapa tena ny tafika Malagasy fa iray ihany ny tafika, fototra lehibe afahana miady amin'ny fahantrana, kolikoly. Zava-dehibe ihany koa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza, manomboka amin'ny ireo asa fanao andavanandro ao an-tokantrano... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny relijiozy dia fehezin'ny tompom-pahefana eo an-toerana, ireo fikambanana nankatoavin'ny Eveka eo ambany fahefan'ny Eveka eo amin'ny diôsezy iasany. Ny relijiozy fehezin'ny Evekan'i Rome irery dia izay nankatoavin'ny Papa mivantana ilay fikambanan-drelijiozy, miankina tanteraka amin'i Vatican, izany hoe ny Papa, amin'ny maha loha-laharana azy eo amin'ny Fiangonana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
♦ Sorona Masina ametrahana an'ny Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston ho lehiben'ny Province-ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny nosy Maurice... ♦ Mbola tsy resy lahatra tanteraka amin'ny drafitra entina hanarenana ny orinasa JIRAMA ny tambaben'ny mpiara-miasa, araka ny fanambaràna nataony. Mitaky hampiatoana ny fampiharana ny SATA vaovao ny tambabe... ♦ Efa tafakatra 31 ireo lavo nandritra ilay fety nitera-doza teny amin'ny Sampanana mihazo an'Imerinkasina-Ambohimalaza... ♦ Nofoanan'ny governemanta ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana any Burkina Faso...
♦ Hotanterahana anio ety Ivato ny fametrahana an'i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston ho lehibe vaovaon'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice. Izy izay notendren'ny lehiben'ny fikambanana Saleziana eran-tany, Mompera Fabio Attard, hisahana izany andraikitra izany, ny volana jona teo... ♦ Mitotongana, miverin-dalana, mihemotra izay ankehitriny raha fehezina ny fitantanana ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, hoy ny fikambanana Observatoire Mahitsy Fijery... ♦ Ny resaky ny olona anaty tambajotran-tserasera no mahatonga ny samy dokotera tsy mifanaja, araka ny navoitran'ireo dokotera nandritra ny "andron'ny mpitsabo" omaly...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco