Ny vita batemy rehetra noho ny asan'ny Fanahy Masina ao aminy dia mandray ny finoana aloha ; ny vahoakan'Andriamanitra dia mandray anjara amin'ny adidy maha-mpaminany an'i Kristy, indrindra amin'ny fiainany feno finoana sy fitiavana, ary noho izy manolotra an'Andriamanitra sorom-piderana, vokatry ny molotra izay mankalaza ny anarany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
♦ Tontosa teny amin'ny Ekar Masindahy François Xavier Antanimena androany maraina ny Sorona Masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François... ♦ Isany voaresaka tamin'ny fihaonan'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron sy Filoha Malagasy Andry Rajoelina teny amin'ny Lapan'i Iavoloha androany, ny momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy ; ankoatr'izay dia fifanaraham-piaraha-miasa enina no vita sonia... ♦ Mpitandro ny filaminana maherin'ny 2.000 no ahetsika amin'izao fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI izao ; nambaran'ny eo anivon'ny Emmo fa handraisana fepetra ireo mikasa hanakorontana...
Ny vady dia fameno, mifanampy amin'ny lafiny maro ; olona roa, lahy sy vavy, no mifanaky hanohy ny fiainana. Ny fanambadiana dia midika fahaleovan-tena, hanohizan'aina, olona mifanaiky an-tsitrapo, fitia mifamaly tsy an-tery. Ny fanambadiana dia fanapahan-kevitra eo anatrehan'ny fianakaviana, fiaraha-monina, fanjakàna, ary ny fiangonana, fanorenana fiainana vaovao sy ankohonana vaovao... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
23 aprily — I Masindahy Georges dia teraka tao Cappadoce avy amin'ny fianakaviana kristianina. Miaramila manamboninahitra tao amin'ny tafika romana izy ary ny amperora Dioclétien no nanondrotra azy ho eo amin'ny laharana ambony indrindra tao amin'io tafika io.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco