29 marsa — Ny Gladys resahana dia ilay mpanjakavavy sady mpanirery galloise tamin'ny taonjato fahenina. Tamin'izany fotoana izany mantsy i Pays de Galles dia nizarazara ho fanjakana kely bretons, ka nitondra fanjakana iray tamin'ireo i Gwynllyw sy i Gladys vadiny.
• Hivoaka amin'ny 25 avrily 2025, raha tsy misy ny fiovana, ny didim-pitsarana momba ny fampiakarana ny raharaha nanamelohana ny mpitarika ny Randrana Sendikaly Barson Rakotomanga sy ny Filohan'ny Seces Sampana Antananarivo, Profesora Sammy Grégoire... • Hisy tetikasa lehibe, hovatsian'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena vola, ao an-drenivohitra momba ny fanamboarana ny fantsona fanariana rano. Voakasik'izany ny toerana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dalana, ka antony tsy maintsy hamindrana azy ireo, hoy ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa... • Nanambara androany ny Ben'ny Tananan'Ambohidratrimo fa tsy nisy fisamborana sy fampidirana am-ponja azy. Tetika politika nataon'ny mpifaninana taminy resy tamin'ny fifidianana, hanilihana azy ireny, araka ny fanazavany...
• Tanterahan'ny Eglizy maneran-tany anio hariva sy rahampitso ny 24 ora ho an'ny Tompo... • Miandry antsika isan'andro Andriamanitra be famindram-po, hoy ny fampianaran'ny Ray masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Mila atao laharam-pahamehana ny fanabeazana hanafoanana ny fanandevozana, hoy ny eo anivon'ny Fiketrahana Masina...
Manatevina ny fifehezan’ireo tantsaha mpiompy tantely ny teknika momba izany ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly. Nisitraka fiofanana nokarakarainy ireo tantsaha anatin’ny vovonam-pikambanana miisa telo ato amin’ny Faritra Analamanga. Fampiofanana tafiditra anatin’ny tetik’asa FFF FAO, izay miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra fa mandray anjara betsaka amin’izay asa izay ny tantely. Amporosihana noho izany ireo tantsaha ireo hiompy tantely sy hivelatra amin’izay fihariana izay hoy Andriamatoa Elysé RAHARISON, tompon’andraikitra ara-teknika ao amin’ny Tranoben’ny Tantsaha...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco