• Resin'i Ghana ny Barean'i Madagasikara alina, anatin'ny lalao fifanintsanana Mondial 2026. Mbola laharana faharoa vonjimaika ao amin'ny Vondrona I isika, na eo aza izany... • Olona telo no maty, vokatry ny fiavian'ny oram-be niteraka tondra-drano teto Antananarivo, ny faran'ny herinandro teo. Mahatratra 9.761 ny isan'ny traboina, araka ny tatitra avy amin'ny BNGRC... • Mbola miato ny fampianarana eny amin'ny CISCO Atsimondrano ho an'ny anio amin'ny ZAP maromaro, noho ny mbola fiakaran'ny rano. Toa izany koa ho an'ny ZAP sy ny sekoly maromaro ho an'ny CISCO Ambohidratrimo...
25 marsa — Mampahatsiahy antsika ny andro nandraisan'i Maria tao Nazareta ny filazan'ny arkanjely Gabriel fa hitoe-jaza izy, ity andro ity. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia ny Fanahy Masina no hanorotoro io zaza io ao an-kibony.
• Hampiantrano ny Kintana Maintin'i Ghana, any an-tanin'olona afaka ora vitsy, ny Barean'i Madagasikara... • Namoaka ny tatitra vonjy maika vokatry ny rotsak'orana eto Analamanga nanomboka ny 22 hatramin'ny androany 24 marsa 2025, ny Minisiteran'ny Atitany sy ny BNGRC... • Misy ireo sekoly mbola hampiato ny fampianarana ho an'ny rahampitso...
• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco