06 mey — I Dominique Savio dia ilay tanora salezianina, teraka tao Riva di Chieri tamin'ny taona 1842, tany akaikin'i Turin tany izany. Zaza faharoa amin'ny folo mianadahy nateraky hy ray aman-dreniny izy. Mbola kely dia efa nanana fitiavam-bavaka latsa-paka sy faharanitan-tsaina i Dominique Savio, vao efa-taona monja izy dia efa nahay sy nahavita ny vavaka Angélus, in-telo isan'andro.

Ny Jody : mifandray amin'Andriamanitra amin'ny fivavahany sy ny finoany izy fa tsy mifandray mivantana amin'ilay Eglizy vahoakan'Andriamanitra. Ny vahoaka Jody no anisan'izay nandray ny fampanantenana ary notiavin'Andriamanitra mandrakariva noho ireo Patriarka teo aminy ; tsy narian'Andriamanitra velively ny olony hoy i Masindahy Piera Apôstôly... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

♦ Tsy niandry ela fa androany maraina ihany dia efa nivoaka ny fonjan'Antanimora ny vadin'ny Kôlônely Patrick rakotomamonjy. Ity manambonahitra ity izay enjehina sy karohana noho ny fametrahana cocktail molotov teny Antanimena sy 67ha... ♦ Fanadihadiana tamin'ny mpahay lalàna momba ny baiko nomen'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina hamoahana ilay renim-pianakaviana teny Antanimora iny... ♦ Tsy nomen'ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena toerana tao anatin'ny fandaharam-potoana ny lahadinika naroson'ny solombavambahoaka mpanohitra, tamin'ny fivoriana farany teo hoy ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabeniriina...

♦ Namafisin'ny eo anivon'ny EMMONAT fa tena tomon'antoka tamin'ilay resaka "cocktail molotov" ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy. Nitafa tamin'ny mpanao gazety izy ireo, nampahafantatra izany... ♦ Hirosoana ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny Base Tuléar, raha ny firesaky ny filoham-pirenena, omaly. Tsy hampanao sonia fifanarahana mamono ny Malagasy ny tenako hoy izy... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaza manomboka rahampitso ireo solombavambahoaka an'i Madagasikara. Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna amin'ity taona ity...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...