15 marsa — I Masimbavy Louise de Marillac dia teraka tao Paris ny 11 aogositra 1591. Zanak'i Louis de Marillac izy, andriana ny raibeny, Guillaume II de Marillac. Mbola kely izy dia efa nobeazina tany amin'ny trano fitokana-monina ka tany no nahalalany an'Andriamanitra, tany no nahaizany namaky teny sy nanaoratra, tany ihany koa no nahaizany ny hoso-doko.

• Tany amin'ny 150 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Efa vonona avokoa ireo pitsopitsony rehetra ilaina amin'ny fanomanana sy ny toerana handraisana ireo delegasiona amin'ny fivoriamben'ny COI andiany faha-5, izay hatao eto amintsika ny 23 sy 24 avrily 2025... • Manamafy ny fiaraha-miasa momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly, na ny BIANCO, sy ny Sampan-draharaha misahana ny Fanagiazana ny Fananana azo tamin'ny fomba tsy ara-dalana, na ny ARAI...

• Manentana ny kristianina rehetra hanankina an'i Madagasikara amin'ny Fo Masin'i Jesoa, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, amin'izao taon-jobily izao... • 12 taona katroka ny 13 marsa 2025, ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François... • Nanao antso avo amin'ny fampitomboana ny andraikitry ny vehivavy amin'ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ny Vatica, ny alarobia 12 marsa 2025...

• Tany amin'ny 260 km andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 9 ora maraina teo. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Toliara I sy Androka Ampanihy anio alina na rahampitso vao maraina be, amin'ny tanjaka “Cyclone Tropical” izy... • Tsy hisy ny fanalavam-potoana fa tsy maintsy hajaina ny fe-potoana farany fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina Bakalorea, dia ny 25 avrily 2025 amin'ny 6 ora hariva... • Miisa 800 ireo olona nisitraka ny tolotra maimaimpoana kopia sy kara-panondrom-pirenena tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary, Distrikan'i Moramanga...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...