• Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Jude. Tombanana hiditra ao amin'ny Distrikan'i Toliara voalohany sy faharoa, amin'ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale” izy rahampitso... • Tsy nifarana tao anatin'ny fivoriambe fankatoavana ny teti-bola, fa mbola nitohy teo ivelan'ny lapa nivoriana ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ireo samy milaza ho mpanohitra ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... • Namoaka fanambarana ny sendikà SECES Sampana Antananarivo, eo anatrehan'ny fifidianana isan-tsokajiny, tanterahana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo...
• Mbola mampisalasala ny fampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika... • Mijoro manohitra ny fikasan'ny orinasa iray hitrandraka “Terres rares” any amin'ny tangoronosy Ampasindava, Distrikan'Ambanja, ireo vondron'olona ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena... • Mpilalao vaovao miisa dimy no nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins, handrafitra ny Ekipam-pirenena Malagasy Barea...
13 marsa — I Rodrigue dia pretra espagnol, teraka tao Cabra akaikin'i Cordoue Espagne. Nohamasinina ho pretra izy ka natao miafina ny fanamasinana azy satria mbola nobaboin'ny Sarrasins ny toerana nisy azy ireo tamin'izany fotoana izany.
• Mitaky ny fampiatoana ny fitrandrahana “terres rares” kasain'ny orinasa Harena Ressources hatao any Ampasindava, ny vondron'olona ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena any Ambanja... • Misalasala amin'ny fampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara, ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika eto Madagasikara... • Mpilalao vaovao miisa dimy no nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins, handrafitra ny Barea, hiatrika ny fanintsanana Mondial 2026...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco