24 septambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)

♦ Hampitomboina ny fotodrafitr'asa hanofanana ny tanora Malagasy. Hisy lalam-piofanana vaovao, mifanaraka amin'ny filan'ny tsenan'ny asa, ihany koa hosokafana, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa... ♦ Hanana antontan'isa vaovao momba ny toe-piainan'ny ankizy sy ny vehivavy isika eto Madagasikara amin'ny taona ho avy. Natomboka andraony teny amin'ny Carlton Anosy ny fanadiahadiana momba izany...

♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...

♦ Fanadinana handraisana mpandraharahan'ny fonja : Efa ampanomanana ny fitsarana ireo antontan-taratasin'ny mpiadina niatrika ny fifaninana ny tompon'andraikitra, mpiadina 600 isa no horaisina tamin'ireo 9.000 isa nandray anjara... ♦ Tanterahina ny 26 hatramin'ny 29 septambra ho avy izao eny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina ny andiany faha-efatra amin'ny hetsika tsenaben'ny hazandrano... ♦ Vonona hiatrika ny vanim-potoam-pahavaratra 2024-2025 ny birao nasiônaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC taorian'ny fiofanana notanterahina teto Antananarivo sy Toamasina... ♦ Nahatsiaro sy nankasitraka ny asan'ny raim-pianakaviana iray mpiaro ny tontolo iainana tany Honduras, maty nisy namono ny Papa François...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...