Mitàna anjara toerana lehibe amin'ny rohy voahary natoraly (écosystème naturel) ka miantoka ny ho avin'ny harena voajanahary ny kijàna, saingy tandindomin-doza ankehitriny. Asa raha fantatrao fa kijàna, ahitàna ireo karazana bozaka aman'ahitra isan-karazany, ny 65% amin'ny velaran-tanin'i Madagasikara...
♦ Antontan-taratasy firotsahan-ko fidian'ny Ben'ny Tanàna amperin'asa, Andriambolanarivo Parisoa ihany, no voarain'ny OVEC ho an'ny Kaominina Imerintsiatosika... ♦ Zara raha manondrana ny ampahafolon'ny vokatra trondro azo avy amin'ny jono i Madagasikara, isan-taona... ♦ Mbola misedra olana amin'ny fisitrahana rano madio fisotro sy toeram-pivoahana sy fidiovana ny any ambanivohitra...
Anisan’ny singa iray mandrafitra sy mampiavaka ny fanambadiana ny fahasamihafana, ary ny fiainan-tokatrano dia tsy afa-miala amin’izany. Koa mba ahafahana mikolokolo ny fiainam- panambadiana sy hisian’ny fiainam-pitiavana mirindra dia maro ireo singa tsara ho fantatra ao anatin’io fahasamihafàna io. Samy manana andraikitra manandrify azy ao anatin’izany na ny lahy na ny vavy, eny fa na dia ny fianakaviana aza... Fandaharana "miaina sy mitia" mba ahafahana mikoloko ny fifandraisana eo anivon’ny tokatrano, eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Miisa fito ireo nandrotsaka antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Ben'ny Tanàna ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Enin-dahy sy vavy tokana... ♦ Tsy isan'ireo hifaninana ary tsy hanohana kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra Ramatoa Rakotomnaga Rinah... ♦ Mbola tsy anio no hifarana ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo. Mitombo hatrany koa ireo faritra manao hetsika maneho tsy fahafaliana amin'ny tsy fisian-jiro sy rano...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco