• Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...

  • Olona 43 isa nampidirina am-ponja vonjy maika noho ny resaka kolikoly tao anatin'ny telo volana, miisa 580 kosa ireo fitanana an-tsoratra vita sy nalefan'ny BIANCO any amin'ny Fitsaràna...
  • Fako manodidina ny 10.000 taonina no nalan'ny APIPA tamin'ireo lakan-drano tao Antananarivo renivohitra tato anatin'ny 5 volana farany amin'ny taona 2024...
  • Nametraka tanjona ny hizoran'ny fetin'ny Noely sy ny Faran'ny Taona, anatin'ny filaminana sy ny fitoniana ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena...
  • Nampanantena ny hanafoana ny transgenre aorian'ny fahavitan'ny fihanihanany ny filoha Amerikana Donald Trump, tsy misy karazany hafa ankoatra ny lehilahy sy vehivavy ny vahoaka Amerikanina hoy izy...

  • Miato mandra-pivoaka ny valin'ny fanadihadiana ataon'ny "Cyber-Criminalité" ny fampiasana ny tranokalan'ny CENI taorian'ny fisian'ny "piratage" nitranga ny faran'ny herinandro teo hoy ny Sekretera Mpanatanteraky ny CENI...
  • Nosamborina ary atao andrimaso eny amin'ny Toby Ratsimandrava ny mpikatroka avy amin'ny Antoko Tiako I Madagasikara Jean Luc Randriamihaotra, tsy afaka nijery sy nanatitra mpisolovava hiaro azy ireo mpiray Antoko aminy...
  • Ny any amin'ny Faritany Fianarantsoa, Toliara, ary Toamasina indray anio 23 desambra no hamoaka ny vokam-pifidianana Ben'ny tanàna vonjimaika, izay notontosaina tamin'ny 11 desambra teo...
  • Naaton'ny Praiministra Albanais Edi Rama mandritra ny heritaona ny fampiasana ny TikTok any amin'ity firenena ity, taorian'ny herisetra tamin'ny fampiasana izany ka nahafatesana mpianatry ny kolejy iray...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 3, 7-10)

Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; satria naterak’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota.

Anaka,
aza mety hofitahin’olona ianareo,
fa izay manao ny marina ihany no marina
toa Azy marina koa.
Izay manota dia avy amin’ny demony,
fa mpanota hatrany am-boalohany ny demony.
Ary ny handrava ny asan’ny demony
no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.
Izay rehetra naterak’Andriamanitra
dia tsy manota,
satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra,
sady naterak’Andriamanitra izy
ka tsy mahazo manota.
Amin’izany no ahafantarana
izay zanak’Andriamanitra
sy izay zanaky ny demony.
Izay rehetra tsy manao ny marina
dia tsy avy amin’Andriamanitra,
toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 97, 1. 7-8. 9

Zahao, ry vazan-tany rehetra ny vonjin’Andriamanitra.

Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany,
fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.

Aoka hidoboka anie ny rano,
ny ranomasina sy ny mponiny!
Ka hitehaka anie ny ony ;
hitotorebika koa ny vohitra!

Mba hitsena ny Tompo tamy
hitsara ny olona tsy an-kanavaka:
ary hitsara ny firenena
am-pahamarinana sy ara-drariny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe..

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)

Efa hitanay ny Mesia.

Taorian’ny batemin’i Jesoa,
dia mbola teo koa i Joany Batista
sy mpianany roa lahy;
ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo:

“Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra.”

Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo,
dia nanaraka an’i Jesoa.
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy,
dia nanao taminy hoe:

“Inona no tadiavinareo?”

Ary hoy izy ireo taminy:

“Raby,
(izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika)
aiza Ianao no mitoetra?”

Dia hoy Izy taminy:

“Avia fa ho hitanareo.”

Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany,
sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny;
ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.

I Andre, rahalahin’i Simôna Piera,
no anankiray tamin’izy roa lahy
izay nandre ny tenin’i Joany
ka nanaraka an’i Jesoa.
Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa
dia i Simôna rahalahiny, ka nilazany hoe:

“Efa hitanay ny Mesia”
(izany hoe i Kristy raha adika).

Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy,
ka nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe:

“Ianao no Simôna, zanak’i Joany;
hatao hoe Sefasy ianao”, izany hoe, Piera.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...