• Hisokatra ho an'ny olon-drehetra manomboka ny 26 desambra 2024, ny fiofanana mikasika ny “Accompagnement spirituel” sy ny “Discernement spirituel”, karakarain'ny Fikambanan'ny Masera Cénacle eto Madagasikara...
  • Mbola ao anatin'ny fankalazana ny faha-150 nahaterahan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ny Fikambanan'i Karmely eto Madagasikara ankehitriny. Noho izany, mikarakara lalao fifaninana ny fikambanana...
  • Nihaona tamin'ireo olom-boatokana tany Corse ny Papa François ny alahady 15 desambra 2024, nandritra ny fitsidihana nataony tany...

  • Miantso ny mpanohitra rehetra hanambatra hery Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, filoha lefitra fahafito eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Antso noho ny zava-niseho tamin'iny fifidianana teo iny...
  • Mitsangana manohitra ny voka-pifidianana ihany koa ny telo amin'ireo kandidà nirotsaka ho fidiana ben'ny tanànan'i Vohipeno. Mandrahona hitondra vahoaka an-dalambe izy ireo...
  • Tafaverina avokoa ireo biby malagasy nisy nanondrana antsokosoko tany Thaïlande. Tonga ny faran'ny herinandro teo ireo sokatra 757 sisa tavela tany an-toerana...
  • Nanome baiko ny hanakatonana ny masoivohony any Irlande ny governemanta israeliana. Anton'izany ny endrim-pankahalàna sy fanenjehina ny Jiosy any amin'ity firenena ity...

  • Nihetsika nanohitra ny voka-pifidianana ny kandidàn'ny fanoherana ao Toamasina ny sabotsy teo. Nisy ny diabe nataon'ireo mpomba azy, sangy noravàn'ny mpitandro ny filaminana...
  • Nibahana tamin'ny fifidianana farany teo ny fanambazan-javatra ny mpifidy, hoy ny sampana Safidy. Nanao tatitra ny fanaraha-maso nataony izy ireo ny Sabotsy teo...
  • Nihena ny asa famokarana nataon'ireo orinasa madinika sy salantsalany tato anatin'ny 12 volana farany, noho ny olan'ny angovo hoy ny FIV.MPAMA...
  • Olona an-jatony no namoy ny ainy tatsy Mayotte, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Chido. Nahery vaika ny fandalovan'ity rivo-doza ity tany an-toerana...

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela 7, 1-5. 8b-11. 16

Haharitra mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo ny fanjakan’i Davida.

Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka
sady nomen’ny Tompo fandriampahalemana
tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany :

“Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera,
ary ny fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!”

Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka:

“Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao,
fa momba anao ny Tompo.”

Ny alin’izay ihany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe;
izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry
no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako,
amin’i Israely;
ary izay nalehanao nombàko anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao.
Ny anaranao hataoko malaza
toy ny anaran’ny olomalaza ambonin’ny tany.
Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho,
dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy,
ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana
toy ny taloha intsony,
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara
hifehy an’i Israely vahoakako.
Hanome anao fialan-janona amin’ny fahavalonao rehetra Aho;
ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao
sy ny fanjakanao eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo!
Hambarako amin’ny firenena rehetra ny fahamarinanao!
Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko;
voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!

Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho;
nianiana tamin’i Davida mpanompoko;
hajoroko ho mandrakizay, hoy Aho, ny taranakao;
haoriko ho lalandava ny Fiketrahanao!

Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy.
Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko,
ho azony antoka ny fanekeko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra,
avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 1, 67-79

Hamangy antsika ny Masoandro avy any ambony.

Tamin’izany andro izany,
feno ny Fanahy Masina i Zakaria rain’i Joany,
ka naminany hoe:

“Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
noho Izy namangy sy nanavotra ny olony,
ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika
tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony,
araka ny nolazainy tamin’ny vavan’ny mpaminany masina
hatramin’ny andro tany aloha,
mba hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika
sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.
He izany nanaovany famindram-po tamin’ny razantsika
sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,
dia ilay fianianana nataony tamin’i Abrahama razantsika
hanome antsika fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika,
mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra,
amim-pahamasinana sy fahamarinana,
eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.
Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe:
mpaminanin’ny Avo indrindra,
fa hialoha ny Tompo ianao hamboatra ny halehany,
mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena
amin’ny famelana ny helony.
Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika
nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,
mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina
sy amin’ny aloky ny fahafatesana,
ka hitarika ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...