♦ Tsy tokony hisy fiatraikany amin'ny safidim-bahoaka ny fidinana ifotony sy ny fitokanana zava-bita ataon'ny Filoham-pirenena hoy Andriamatoa Régis Ramamonjisoa mpamakafaka pôlitika. Aleo hoy izy hifidy ankalalahana ny vahoaka malagasy amin'ny 29 mey ho avy izao... ♦ Nikorisa voalohany tao an-drenivohitra nanomboka omaly ny fitaterana amin'ny alalan'ny tariby miantona na ny "télépherique". Azo antoka ny fitandroana ny ain'ny mpandeha hoy ny sekreteram-panjakàna Gérard Andriamanohisoa... ♦ Manohy ny fanofanana an'ireo olom-pirenena hifehy ny fananan-tany ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany (SIF). Anjaran'ny tanora sy ny vehivavy avy amin'ny fikambanana samihafa no misitraka izany...
Tahaka ny fananan-javatra maromaro ihany ny fananam-bady maromaro ; noho izany ny karazam-piraisana ateraky ny fampirafesana dia mampitovy ny olona iray amin'ny fananana na fitaovana fa tsy mba firaisana feno sy lalina ary manontolo. Ny vehivavy tsirairay dia samy maniry hanana ilay lehilahy ho azy irery manontolo fa tsy iombonany amin'ny hafa, izay tsy ho lavorary raha tsy marina ny itiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
23 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)
♦ Nahomby ny andrana ara-teknika natao androany maraina tamin'ireo cabines telo amin'ilay fitaterana an-tariby, tamin'ny zotra mampitohy ny Gara Anosy sy Soarano... ♦ Antony iray mahatonga ny fiovan'ny toetrandro ny entona mangeja hafanana, ateraky ny fitaterana an-tanan-dehibe sy ny fitaterana manerana ny nosy... ♦ Tanora sy vehivavy miisa 40 avy amin'ny fikambanana tsy miankina samihafa no miatrika fiofanana mahakasika ny lalàna mifehy ny fananan-tany...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco