♦ Notanterahana androany teny Ambodivona, ny atrikasa fanao isan-taona, hametrahana ny drafitra ho an'ny Firohotana fiarovana ny zo sy ny loharanon-karena, na ny RRI, eto Madagasikara... ♦ Natomboka androany tety Ivato, ny atrikasa fandrafetana ny pôlitika ho an'ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo madio amin'ny fahandroana sakafo... ♦ Nifampizara traikefa tamin'ny solontenan'ny sendikà CFDT avy any Frantsa sy ny sendikà avy any Cap-Vert, ny Randrana Sendikaly, hijerena ny paikady hisian'ny asa mendrika eto Madagasikara...

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

♦ Nandiso ny feo mandeha amin'ny fisian'ny mpanam-bola manohana ny vovonana Mouvement Gasikara, ny Solombavam-bahoaka Gascar Fenosoa... ♦ Mitohy ny ezaka ataon'ny JICA sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, amin'ny alalan'ny tetikasa tantsoroka ho an'ny fitantanana sekoly, na ny TAFITA... ♦ Hotanterahana ny 5 hatramin'ny 7 nôvambra 2024, eny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena Mahamasina, ny fiadiana ny Tompondakam-pirenena eo amin'ny taranja ady totohondry...

♦ 102 amin'ireo antontan-taratasy maherin'ny 270 naroson'ny Mouvement Masikara, ho kandidà Ben'ny Tanàna, no neken'ny OVEC... ♦ Tombanana ho roa hatramin'ny dimy, ireo rivodoza mety hisy fiantraikany mivantana eto Madagasikara, raha ny vinavinan'ny Météo malagasy... ♦ Miroso ny famolavolana ilay paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin'ny kolikoly. Kendrena hatolotra ny 9 desambra izao izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...